Mba jereo ny Tompontsika Avy ao an-danitra Indre avy amin-kery Ao amin'ny rahona . :,: Haleloia ! :,: Ambarao ny heriny. 'Zay rehetra fahavalo Efa resiny tokoa; Mifalia, ry anjely! Mihobia, ry olona! :,: Haleloia ! :,: Ambarao ny lazany. Fony mbola teto Izy, Satro-tsilo nentiny; 'Zao ny satro-bolamena Mendrika ny lohany; :,: Haleloia ! :,: Ambarao ny derany. Voaeso mafy Izy. Be ny fahoriany Fa izao, asandratra Izy Ambarao ny hajany! Ao amin'ny rahona. :,: Haleloia ! :,: He, ny voninahiny ! Mel : Henry Thomas Smart 1867 [REGENT SQUARE] Text: James Montgomery 1816 "Angels From The Realms Of Glory" Stanza 5 - The Christmas Box 1825 Stanza 8 - Isaac Gregory Smith 1855 "Lord Of Heaven, We Adore Thee" MG : "Mba jereo ny Tompontsika avy ao an-danitra" Protestant Madagascar Hymnal 2001 No. 49 Web : http://www.liederschatz.net