Ry Jeso! Vory izahay, Fa andronao anio. Dia avy mba hivavaka Aty an-tranonao. Ka na aiza no aiza ny olonao No vory toy izao, Ny herinao mba asehoy, Efao ny teninao. Ny hira ikambananay Aty an-tranonao, Ekeo ho fanandratana Ny voninahitrao. Ny vavaka tononinay Eo anatrehanao, Mba raiso ho fanatitra Ankasitrahanao. Ny teny fitarainana Ataon’ny ory koa Soloy fifaliana; Hisaoranay Anao. Ny teninao halahatra Hambininao anie, Hamelom-pitiavana Am-pon’izay mandre. Mel : Jessie Seymour Irvine 1862 [CRIMOND] Text: Francis Rous 1650 "Yr Arglwydd yw fy Mugail da" MG : "Ry Jeso! Vory izahay" Web : http://www.liederschatz.net