Ny teninao rehetra Ry Tompo tia anay; No tsy mba manam-petra Fa to mandrakizay; Ho levona avokoa, Izao rehetra izao, Haharitra tokoa Zao teninao izao. Ny tenin’ny Baiboly No sabatra entinay Handresy ny devoly, ‘Lay fahavalonay; Raha misy mampahory, Ka osa izahay Ny teninao mahery Manjary tanjakay Fa teny mamy koa Ho an’ny mpankato Ka loharano soa Miboika ao am-po Ho fanomezan-toky Ny azon’ny manjo. Sy hani-mahavoky Mamelona ny fo Fa teny mampisava Ny aizim-be aty. Fanilo manazava Ny dia ho ary Manolo-pahendrena, Mananatra ny fo, Milaza famonjena Sy lova tsy ho lo. Mel : Samuel Sebastian Wesley 1874 [AURELIA] Text: Samuel John Stone 1866 "The Church's One Foundation" MG : "Ny Teninao rehetra" Web : http://www.liederschatz.net Jesosy no Mpiandry Ny fiangonanay; Ny feon’Izy irery No feo fantatray. Ka tsy mba vala maro Ny fiangonanay; Iray tsy hay zaraina, Tapahin-Tompo iray. Iray no vatolampy ‘Zay iorenanay, Iray no Fehizoro ‘Zay ikambananay, Iray no Mofon’aina fihinanay ety, Iray no antenaina Ho azonay ary. Tabain’ny hevi-diso Kanefa mbola iray; Ny saina tsy mitovy Tsy mahazara anay; Fisoko maromaro, Kanefa vala iray; Ny Tompo no mpiaro Ny fiangonanay. Ny teny samihafa, Ny fomba tsy miray, Tsy misy maharava Ny fikambananay, Ny fanenjehana aza Vao mainka mampiray Sy mahatsara laza Ny fiangonanay. Ry Jeso! Hatanjaho Ny fiangonanao. Ny fony halalaho Mba hitoeranao; Izay firaisan-tsaina Miseho hatrety, Velomy hanana aina Hitohy hatrary. Mel : Samuel Sebastian Wesley 1874 [AURELIA] Text: Samuel John Stone 1866 "The Church's One Foundation" MG : "Jesosy no Mpiandry" Web : http://www.liederschatz.net Ny lohan'ny eklesia Dia Jeso Tompony, Ny rano aman-teny No iorenany, Nitady azy Izy Ho ampakariny, Nalatsany ny rany Ho avo-tsoany Na be ny firenena Izay ihaviany, Iray ny famonjena Izay inoany Iray ny antenaina Rehefa mby ary; Iray no mofon'aina Izay fihinany. Na dia mba hita aza Ny fisarahana, Na dia tsy manan-daza Ny Fiangonana, Miambina ny mino, Ka mitaraina hoe: «Aza ela, ry Mpamonjy, Avia, mamonje!» Tsy ela dia ho hita Ilay Mpampakatra Tsy ela dia ho vita Ny ady masina; Ny rafy horeseny, Ny loza tapitra, Fa Izy ho tonga eny Am-pitsaharana. Iraisany anefa Andriamanitra Sy ireo izay nahefa Ny ady masina. Ry Tompo, miarova Anay izay mbola aty, Hiraisanay handova Ny lanitra aminy. Mel : Samuel Sebastian Wesley 1874 [AURELIA] Text: Samuel John Stone 1866 "The Church's One Foundation" MG : "Ny lohan'ny eklesia dia Jesosy Tompony" Web : http://www.liederschatz.net