Hitako izao, sakaiza! Jeso no Mpanavotra; Tsy mba lany ny fitia, Jeso no Mpanavotra; Na dia saiky lasa aza, Ka ny olona mandao, Izao no mampiadana ahy, Jeso no Mpanavotra. Raha miady mafy aho, Jeso no Mpanavotra; Toky sy Ampinga Izy, Jeso no Mpanavotra; Manome ny soa Izy, Fa ny rany mahadio No mahafa-keloka ahy, Jeso no Mpanavotra. He ilaozako ny eto, Jeso no Mpanavotra; Indro lanitra no azo, Jeso no Mpanavotra; Izy no Mpamonjy ahy, Aina sy fanilo koa, Fahendrena mahasoa, Jeso no Mpanavotra. Ray ô! Hianao deraiko, Jeso no Mpanavotra; Hianao naniraka Azy, Jeso no Mpanavotra; Hianao Mpiaro ahy, Mpitahiry, Tokiko, Ka deraiko lalandava, Jeso no Mpanavotra. Mel : James McGranahan 1877 [BURNLEY] Text: Philip Paul Bliss 1876 "I Will Sing Of My Redeemer" MG : "Hitako izao, sakaiza" Web : http://www.liederschatz.net